Tsivorikely Tsihombe : olona iray maty voatifitra, 3 hafa naratra mafy

Nisehoana fanafihan-jiolahy nahafatesana olona 3 tany Tsihombe ny alakamisy lasa teo. Raim-pianakaviana iray no namoy ny ainy noho ny tifitra. Olona 3 hafa ihany koa no naratra mafy noho izay tifitra izay hatrany.

Tokony ho tamin’ny 6 ora hariva no niseho ny fanafihana. Dahalo 5 nitondra basy sy antsy no nanao izao fanafihana izao. Niditra ankeriny tao amin’ilay tokaNtrano izy ireo ka avy hatrany dia nitifitra. Bala roa teo amin’ny kibony sy ny fony no nahafaty avy hatrany ilay raim-pianakaviana, ary tifitra hafa kosa no nandratra ireo olona 3 hafa.

Ny loharanom-baovao dia nilaza fa ny hamono ity raim-pianakaviana ity mihitsy no tena tanjon’ireto jiolahy ireto. Tsy noraharahain’izy ireo tokoa mantsy ny vola, izay nambaran’ny tao an-trano fa omena azy ireo, raha vantany vao tafiditra tao an-trano izy ireo. Nambaran’ireto jiolahy ireto fotsiny fa ny hamono ilay raim-pianakaviana mihitsy no anton-diany. Taorian’ny fitifirana dia nitsoaka nianavaratra ireo jiolahy. Nanao fanarahan-dia ihany ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona, saingy tsy nisy tratra izy 5 lahy nanafika. Ireo telolahy voatifitra kosa dia fantatra fa mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly ao Tsihombe.

TR

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.